Tsy nankasitrahan'ny mpanazatra ny ekipam-pirenen'i Senegal ilay fanontaniana. Tamin'ny valan-dresaka mpanao gazety, niresaka 'has been' roa tao amin'ny ekipan'ny Liona ilay mpanao gazety.
"Fanehoana tsy fanajana izany, tsy azo ekena mihitsy", hoy i Patrick Vieira, hita mazava ny fahasosorany.
Niady hevitra ho an'ny mpilalaony ilay teknisianina frantsay nefa tsy nilaza ny mombamomba azy ireo. Nitranga ilay toe-javatra taorian'ny lalao fisakaizana izay nahazoan'i Senegal fandresena kely indrindra tamin'i Kômôro.




