U15: Resy i Maroka sy Alzeria, mandroso i Senegaly sy Kamerona
Sary noforonina · SCORE GASY
Tamin'ny lalao fanivozana (huitièmes de finale) tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany U15, dia voaroaka i Maroka, Alzeria ary Côte d'Ivoire. Nahazo ny tapakila ho any amin'ny ampahefa-dalàna i Senegaly sy Kamerona.
Nisy zava-mahagaga tamin'ny lalao fanivozana (huitièmes de finale) tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany U15, ny alarobia teo, tany Azerbaïdjan. Resy ny fanantenan'i Maroka, Alzeria ary Côte d'Ivoire.
Nahavita niditra tamin'ny ampahefa-dalàna i Kamerona sy Senegaly. Mbola milalao ihany koa i RDC, Ginea, Tonizia ary Bénin amin'ny fitohizan'ny fifaninanana.