Bakou, Azerbaïdjan – Tamin’ny lalao farany nataony tao amin’ity Festival Iraisam-pirenena U15 ity, ny Barea tanora dia nanao zava-bita lehibe. Nandresy an’i Iran izy ireo tamin’ny isa 4-3.

Nifaninana mafy ny lalao. Samy nifamaly ny ekipa roa, saingy nahavita nisongadina tamin’ny ezaka ny ekipa malagasy.

Ity fandresena ity dia ahafahan’ny ekipam-pirenena malagasy miala amin’ny fifaninanana amin’ny fomba tsara. Naneho toetra sy fahaizana ara-teknika ny mpilalao.